Ramparany
Filohan'ny Filankevi-pitantananaTiana Ramparany Ramanarivosoa dia mpanaramaso eo ani’von’ny fitatanam-bola ary mpandrindra nasionaly ara-bola ao anatin'ny Ministeran'ny Fitantanam-bolan'i Madagasikara. Manana traikefa eo amin'ny sehatry ny toekarena, ara-bola sy fitatanam-bola izy. Izy dia mahafantatra ny zava-misy iainan'ny vahoaka malagasy amin'ny alà lan'ireo iraka samihafa nataony indrindra ny any ambanivohitra ary mikasa ny handray anjara miaraka amin’ny be sy ny maro ny hampiroborobo ny fidiran'ny mponina marefo amin'ny sehatra ara-bola.
Rajeriarison
Patricia Rajeriarison dia mpanolotsaina amin'ny fizahantany sy ny fitantanana tetikasa. Manana traikefa 25 taona izy amin'ny sehatry ny fizahantany sy fampandrosoana eto Madagasikara. Nahazo diplaoma tamin'ny serasera sy sosiolojia avy amin'ny oniversite « Science Po » izy tany Paris. Malaza ihany koa izy eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra, 10 taona niainany amin'ity sehatra ity eto Madagasikara sy Afrika.
Honoré dia mpanolotsaina miasatena momban’ny lalà na, fitsarana, lalà na ho an'ny daholobe, lalà na hoann’ny tsy miankina etc. Nanohy ny fianarany tao amin'ny Oniversiten'i Jean Molin Lion izy mba hahazoana ny diplaoma Doctorat amin'ny lalà na momba ny asa. Filohan’ny Komitin'ny fanavaozana ny lalà nana momba ny asa ao amin'ny Ministeran'ny Fitsarana i Honoré nanomboka tamin'ny taona 2012. Mpikambana ao amin'ny Komity Mpanolotsaina ny fanaganana ao amin'ny masoivohon-toerana ny fanangana ao amin'ny Ministeran'ny Mponina izy. I Honoré dia manana fahalalà na tsara momba ny tontolo iainana. Mpampianatra momba ny lalà na mifehy ny tontolo iainana ao amin'ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversite Katolika eto Madagasikara izy.
Ratsirarson
MpandridraJoelisoa RATSIRARSON dia Profesora momban’ny ala sy ny tontolo iainana ao amin'ny sekoly ambaratonga ambony momba ny siansa Agronomika (ESSA) ao amin'ny oniversite Antananarivo. Mpikaroka ao amin'ny departemanta antropolojia ao amin'ny Yale University (Etazonia) izy. Izy dia filoha lefitry ny oniversite teo aloha ao amin'ny oniversite Antananarivo ary filohan'ny filakevim-pitantananan’ny ESSA sy ny birao nasionaly ho an'ny tontolo iainana (ONE). Teo aloha izy dia mpikaroka ara-tsiansa niaraka tamin’ny departemantan'ny Zoologie ao amin'ny University of Cambridge (Angletera) ary koa tao amin’ny ny Sekolin'ny Ala sy ny Fitaovana tontolo iainana ao amin'ny Yale University.
Rasoavahiny
MpandrindraInjeniera momba ny ala, Laurette Hermine Rasoavahiny dia manam-pahaizana momba ny biodiversity ary niasa tao amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana. Izy no nanomboka sy namolavola ny famoronana ny rafitra faritra arovana teto Madagasikara (SAPM), ary namolavola ny fehezan-dalĂ na momba ny faritra arovana (COAP) eto Madagasikara.
Fitzgerald
MpandridraAnkehitriny i Winifred Fitzgerald dia loholo’ny mpanolotsaina ny Fifandraisana ivelany, ao amin'ny sampana fampandrosoana maharitra ao Ambatovy. Izy no solontena nasionaly ho an'ny Better U Foundation ary Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Harvard Center for Studies and Development and Development. Niasa ho an'ny Catholic Relief Services tany Egypt sy Kamerona (birao afovoany Afrika) ary koa ho an'ny fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana (UNDP) any Benin. Mpandrira ato amin'ny fondation Tany Meva izy, izy koa dia mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Chamber of Commerce Amerikana (Amcham) sy ny Chamber of Commerce and Cooperation (Cancham).
Izahay no ivon'ny Tany Meva
Equipe
Equipe
Equipe