TANJONA

Ny fahalalana ny paikady tanjona tratrarinay dia fahafantarana anay.

TANJONA 1

Fitomboan'ny salan'ny famatsiam-bola isan-taona izay 700 000 ho 1 200 000 dolara amerikana

Mamolavola sy manantanteraka paikady ho an'ny fanangonam-bola

– Mampiakatra ho 20 tapitrisa dolara amerikana ny vola fanomezana izay 13 tapitrisa dolara amerikana
– Mampitombo avo teloheny ny vola fanonerana sy ny vola fiaraha-miombon’antoka mba hahatratra ny fitambaram-bola 6 tapitrisa dolara amerikana
– manamafy ny rafi-pifandraisana sy ny fiaraha-miasa

Manenjika tombony ankapobeny madio 3% farafahakeliny ho an'ny fampiasam-bola

Maniitsy ny politika fampiasam-bola

TANJONA 2

Lohahevitra amatsiam-bola mifanaraka amin'ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra amin'ny alalan'ny famatsiam-bola ny tetikasa / fandaharanasam-piarahamonina

Manatsara ny fari-piainan'ny 50% ny mpisitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny 5 taona

“– Mamatsy vola ny tetikasa fohy mampidi-bola mifanaraka amin’ny Fampandrosoana Maharitra
– Mampiroborobo ny rafitra mampaharitra ara-bola eo an-toerana : vola mihodina, fampindramam-bola AGR
– Manohana ny tetikasa fananganana fotodrafitrasa mahasoa ny vondrom-piarahamonina sy ny tontolo iainana : fananganana toho-drano, sekoly, fanomezana rano fisotro madio, fahasalamana…
– Mandray anjara amin’ny hetsika mifandraika amin’ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka arahina fampianarana ho an’ny vondrona mpisitraka.”

Mandray anjara mavitrika amin'ny fiarovana maharitra ny tontolo iainana an-tanety, an-dranomamy, amorontsiraka ary an-dranomasina sy ny mifandraika aminy

– Manohana sy mampahalala ny fanavaozana ary ny fikarohana ampiharina momba ny fanalefahana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro
– Mamporisika ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny vidiny mirary sy azo ampiasaina amin’ny faritra iasana
– Manohana ny asa fambolen-kazo sy ny fanaraha-maso akaiky ny fikarakarana hazo ao amin’ny tontolo iainana an-tanety sy amorontsiraka
– Manohana ny fampahalalana ny asa fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, ny fitantanana maharitra ny tany : Climate-Smart Agriculture sy ny sehatr’asa hafa.

Mampiroborobo ny hetsika manome vahana ny fiovam-pihetsika ho an'ny 50% ny mpisitraka mahazo tombony farafahakeliny

– Mamadika ny traikefa hahazoana tombony sy manome vahana ny fifanakalozana eo amin’ny samy vondrom-piarahamonina
– Mamporisika ny hetsika IEC (Fampahafantarana, Fanabeazana, Fifandraisana) sy CCC (Fifandraisana ho an’ny fiovam-pihetsika) mba hisian’ny fahazoana tsara indrindra sy ny faharetan’ny zava-bita
– Manohana ny hetsika manamafy ny fahaizana izay manome vahana ny fiovam-pihetsika ho tombotsoan’ny mpanentana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana
– Mamolavola lohahevitra (fitantanana sy tekinika) momba ny fanamafisana ny fahaizana izay manome vahana ny fiovam-pihetsika, ho tombotsoan’ny mpanentana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana
– Mamolavola rafi-pampianarana fiaramonina sy rafi-panarahana mifanaraka ami’ireo tetikasa vatsiana vola

Mandray anjara amin'ny fanalefahana sy ny fampifanarahana amin'ny fiovan'ny toetrandro

‘– Manohana sy mampahalala ny fanavaozana ary ny fikarohana ampiharina amin’ny fanalefahana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro
– Manohana ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny vidiny mirary sy azo ampiasaina amin’ny faritra iasana
– Manohana ny asa fambolen-kazo sy ny fanarahana akaiky ny fikarakarana ny hazo ao amin’ny rohivoahary an-tanety sy amorontsiraka
– Manohana ny fampahalalana ny asa fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, ny fitantanana maharitra ny tany : Climate-Smart Agriculture sy ny sehatr’asa hafa.

Manamafy ny fahitana ny asa vatsiana vola

Mamaritra ny fomba fampahafantarana sy fifandraisana momba ny tetikasa vatsiana vola
Mametraka rafitra fampahafantarana sy fanoroana momba ny tetikasa vatsiana vola
Manangana rafitra mirindra sy mifameno amin’ny rafitra hafa ho an’ny fampahalalana ny asa tanterahina

Tanjona 3

Ekena ny maha-matihanina ny Tany Meva amin'ny lafin'ny fitantanana mahomby

Manatratra ny tahan-kevitra 80% izay manaiky fahafehezan'ny Tany Meva ny fitantanana maharitra

– Manao rafitra fampahalalana iraisana
– Mametraka tambajotra nasionaly azo antoka ho fampitam-baovao

Manatsara ny famatsiam-bola

Manangana fomba fanaovana kaonty misy rafipitsikerana momba ny fitantanam-bolan’ny tetikasa

Manatsara ny kalitaon'ny asa

– Mametraka rafitra fitantanana tsara kalitao
– Mamaritra sy mampihatra fenitra ho an’ny tetikasa hovatsiana vola
– Mahazo ny fankatoavan’ny rafitra Green Climate Fund -GCF

Renforcer l’image institutionnelle

Mampahafantatra ny Fikambanana amin’ny daholobe, ny mpiara-miombon’antoka, ny olona voakasika ny tetikasa