Tahala Meva: hanana ivotoerana fanovozam-pahalala sy fahaizamanao hoan’ny fiarahamonina

Ny Fondation Tany Meva dia nametraka ivotoerana fanovozam-pahalala sy fahaizamanao hoan’ny fiarahamonina ao Toliara (Tahala Meva) Natao izany mba hanamafisana ny traikefan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) amin’ny fitantanana harena voajanahary,

Ny 12 sy 13 octobre 2020, dia nisy ny atrikasa fakan-kevitra izay notanterahina tao amin’ny Pavé Antinarenina, fiaraha-miasa miaraka amin’ny Hay Tao USAID. Nandritra ny atrikasa dia nisy ny fandraisana anjaran’ny fiarahamonim-pirenena Atsimo Andrefana, Botanique de Tuléar, ny fikambanam-behivavy FIVEMI avy ao St Auguustin sy ny Federasionan’ny Mpanjono Milanoriake avy ao Anakao.