Lohahevitra
famatsiam-bola

Lohahevitra momba ny famatsiam-bola mifanaraka amin’ny Tanjona momba ny Fampandrosoana Maharitra

Manatsara ny fari-piainan'ny 50% an'ireo mahazo famatsiam-bola ao anatin'ny 5 taona

Mamatsy vola ny tetikasa mampidi-bola ao anatin’ny fotoana fohy, izay mifanaraka amin’ny fampandrosoana maharitra
Manome lanja ny rafitra fampaharetana ny lafiny ara-bola eo an-toerana : Revolving Fund, fampisamboram-bola AGR
Manohana ny tetikasa fotodrafitrasa manome vahana ny vondrom-piarahamonina sy ny tontolo iainana : fananganana toho-drano, sekoly, fotodrafitrasa fitarihana rano fisotro, fotodrafitrasa momba ny fahasalamana… ;
Mandray anjara amin’ny hetsika mifandraika amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fanatsarana ny fahasalamam-piarahamonina, miaraka amin’ny fanarahana ny olona voakasiky ny tetikasa

Mandray anjara mavitrika amin'ny fiarovana maharitra ny rohivoahary an-tanety, an-dranomamy, amorontsiraka ary an-dranomasina sy ny mifandraika aminy

Manohana ny fandraisana andraikitra amin’ny famoronana, fitantanana ary ny fanatsarana ny Faritra Arovana izay efa misy sy izay mbola hosokafana, faritra manan-danja sy terroirs hafa
Manohana sy/na manome lanja ny fampandrosoana ny rafitra Fandoavana ny ny Tolotra momba ny Tontolo Iainana sy ny rafitra hafa momba ny fampaharetana ny hetsika
Manome lanja, sy mampahalala ny zava-baovao, ny fikarohana ampiharina sy ny politika manatsara ny fampandrosoana maharitra sy ny tontolo iainana ;
Manohana ny asa fiarovana, fanamboarana, sy REDD amin’ny lafiny tontolo iainana an-tanety sy amorontsiraka

Fandraisana anjara amin'ny fanalefahana sy ny fampifanarahana amin'ny fiovan'ny toetr'andro

Manohana sy mampahalala ny haivao ary ny fikarohana ampiharina amin’ny fanalefahana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro
Manohana ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny vidiny mirary sy azo ampiasaina amin’ny faritra iasana
Manohana ny asa fambolen-kazo sy ny fanarahana akaiky ny fandrindrana ny fitrandrahana ny ala an-tanety sy amorontsiraka
Manohana ny fampahalalana ny asa fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, ny fitantanana maharitra ny tany : Climate-Smart Agriculture sy ny sehatr’asa hafa.

Mampiroborobo ny hetsika manome vahana ny fiovam-pihetsika ho an'ny 50% ny mpisitraka mahazo tombony farafahakeliny

Mamadika ny traikefa hahazoana tombony sy manome vahana ny fifanakalozana eo amin’ny samy vondrom-piarahamonina
Mamporisika ny hetsika IEC (Fampahafantarana, Fanabeazana, Fifandraisana) sy CCC (Fifandraisana ho an’ny fiovam-pihetsika) mba hisian’ny fahazoana tsara indrindra sy ny faharetan’ny zava-bita
Manohana ny hetsika manamafy ny fahaizana izay manome vahana ny fiovam-pihetsika ho tombotsoan’ny mpanentana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana
Mamolavola lohahevitra (fitantanana sy tekinika) momba ny fanamafisana ny fahaizana izay manome vahana ny fiovam-pihetsika, ho tombotsoan’ny mpanentana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana
Mamolavola rafi-pampianarana fiaramonina sy rafi-panarahana mifanaraka ami’ireo tetikasa vatsiana vola

Manamafy ny fahitana ny asa vatsiana vola

Mamaritra ny fomba fampahafantarana sy ny fifandraisana momba ny tetikasa vatsiana vola
Mametraka rafitra fampahafantarana sy fanoroana momba ny tetikasa vatsiana vola
Manangana rafitra mirindra sy mifameno amin’ny rafitra hafa ho an’ny fampahalalana ny asa tanterahina