Fiarovana soka-dranomasina

Tandidonin-doza amin’ny fihazana ny soka-dranomasina ao amin’ny eladranon’ny Rigny any Antsiranana.

Manoloana izany dia nametra tetikasa fiarovana atao hoe: Fandraisana anjara amin’ny fampiainana sy fiarovanany soka-dranomasina” ny ONG Soameva izay tohanan’ny Critical Ecosystem Partnership Fund (CEPF). Ny tetikasa dia manamafy ny fikajiana ny sokatra anaty ranomasina amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny vondrom-piaraahamonina sy ireo manam-pahefana.