Mba hampisongadinana ny harena voajanahary ao Bobaomby, Faritra DIANA ary mba hamporisihana ny mponina eny manodidina mba hiaro io tontolo iainana io, ny Fondation Tany Meva amin’ny alalan’ny famatsiam-bola CEPF dia namatsy ny fametrahana faritra maitso ao amin’ny vohitr’Anjiabe. Ny ONG BNC, panatontosa ny tetikasa, dia maniry ny hitondrana vahana vaovao eny ifotony eo amin’ny tontolo ara sosialy sy ekonomika. Mba hanomanana ny vondron’olona ifotony amin’io hetsika vaovao io, nisy ny fanamafisana ny hay tao eo amin’ny foto-kevitra miompana manokana amin’ny fizahantany tahaka ny fitarihan-dalana, ny lakozia ary ny teny vahiny.